Salamo 8. 1-9
Ny fiderana an’Andriamanitra
1- Manapaka ny zavatra rehetra Izy
«Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao …».Ny anarana dia maneho ny maha -izy ny olona iray, ny toetra mampiavaka. Resy lahatra eto i Davida, gaga, talanjona rehefa nandinika sy nijery ny asan’ Andriamanitra eto amin izao tontolo izao. Eo ambany fahefan’ Andriamanitra ny zavatra rehetra, izay heverina ho kely sy tsinontsinona toy ny zava- madinika no nanehoany ny heriny mba hampanginana ny fahavalo. Maneho ny voninahitry ny anaran’Andriamanitra izany, maneho ny maha-Andriamanitra mahery Azy. Izany asa miavaka, asa be voninahitra izany no nitarika azy hidera, hankalaza an’Andriamanitra. Ny olona mahay mandinika ny asan’Andriamanitra dia mankalaza Azy mandrakariva.
2-Mihevitra manokana ny olombelona Izy
Miavaka tao anaty ny voahary noharian’Andriamanitra ny olombelona. Olombelona manana ny fahalemena, efa niodina tamin’ Andriamanitra kanefa tsinjoviny manokana, heyeriny mandrakariva ny fiainany. Nomen’Andriamanitra fahefana amin’ny zava-boahary rehetra ny olombelona, misitraka ny fitahiana avy amin’ny zava-boahary rehetra ny olona. Fiainana miavaka amin’ny zava-mananaina rehetra izany. Noho izany fiheveran ‘Andriamanitra manokana ny olona izany dia midera an’Andriamanitra izy. Ny olona resy lahatra fa mihevitra ný fiainana Andriamanitra dia tsy mitsahatra mankalaza Azy.
Fanontaniana:
Tanisao ireo asan ‘Andriamanitra eo amin ‘ny fiainana isanandro.Inona no tokony hataonao manoloana izany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM