Eksodosy 15:11-18

Ny antony hankalazana an’Andriamanitra

Ny Eks 15 dia hira fiderana an’Andriamanitra nataon’i Mosesy rehefa nahatsapa ny herin’ Andriamanitra nitondra sy nanafaka ny zanak’ Israely tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana. Midera an’ Andriamanitra ny olom-boavonjy.

1- Tsy misy toa an’Andriamanitra, miavaka Izy.

Samy manana ny andriamanitra ivavahany sy iankinany ny firenena samihafa. Miavaka kosa ilay Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy. Andriamanitra efa naneho ny heriny tamin’ny namonjeny tamin’ny nanafahany ny Zanak’Israely tamin’ ny fanandevozan’ny Egyptiana. Hoy ny and.11 «Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin ‘izay andriamanitra? » Na dia naneho ny heriny aza ny Egyptiana notarihan’i Farao, nanenjika, nitady hamatotra; dia miasa Andriamanitra, nasehony ny heriny mahagaga ka nisaraka ny ranomasina nandehan’ny olon’Andriamanitra, ringana tao anaty ranomasina ny Egyptiana izay niditra sy nanenjika.

2- Mpandresy, mampandresy ny olony Izy

Nisitraka ny famindrampon’Andriamanitra ny Zanak’ İsraely. Voavonjy sy afaka tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana, ka mizotra ho any amin’ny tany Kanana. Raiki-tahotra ireo firenena manodidina amin’ny làlana hitondran Andriamanitra ny Zanak’ Israely. Reraka ny fon’ izy ireo mandre ny herin’ Andriamanitra mahagaga (and. 14-16). Mifanohitra amin’ izany kosa ny fiainan ‘ny olom-boavonjy, miaina ny fiainam-pandresena ka fifaliana, fihobiana, fanandratana an’Andriamanitra Mpanjaka no mameno ny fony. Mankalaza an’ Andriamanitra ny voavonjy.

Fanontaniana:

Nahoana no mankalaza an’Andriamanitra ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM