Salamo 34:1-10
Ny fiderana Ilay Mpamonjy
Mitaona sy mitarika ny olona mba hidera an’Andriamanitra eo amin’ny androm-piainana manontolo ny mpanompo izay mahatsapa ny asany teo amin’ny fiainany.
1-Atao amin’ny fotoana rehetra
Mazava tsara eto ny fiderana asandratr’ i Davida rehefa nahatsapa ny famonjen’Andriamanitra tamin’ny fanenjehan’ny fahavalony. «Hisaotra an’i Jehovah lalandava ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy». Ny androm-piainana manontolo dia feno fiderana an’ Andriamanitra, fankalazana, fisaorana Azy. Tsapany fa marobe ireo asa nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainany. Fiderana tsy mandalo na vetivety ihany fa mandrakariva, mandrakizay. Ny olona resy lahatra fa namonjy azy i Jesoa Kristy dia tokony hanokana ny androm-piainarıy manontolo hiderana an’Andriamanitra.
2-Fiankinana Aminy hatrany
Ny fiderana ataon’ny olom-boavonjy eto dia fanamafisana ny finoana fa ao amin’Andriamanitra no mahalavorary ny fiainany. Midera an’ Andriamanitra izy, nefa koa mivavaka miankina amin’Andriamanitra mametraka ny ho avin’ny fiainany. Fahavononana hitady, hiantso, hivavaka amin’ Andriananitra hatrany. Tsy ho azy irery ihany izany fa itaomany ny olona rehetra. Fa hafa ny fiainana, rehefa miankina mandrakariva amin’Andriamanitra, hoy ny voalazany eto: «Andramo ka izahao fa tsara Jehovah,sambatra izay olona mialoka aminy….». (and.8,9).
Fanontaniana:
Inona avy ny tombotsoa azon ‘ny olona midera an ‘Andriamanitra mandrakariva?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM