JAONA 17.1-5
Ny fankalazana tian’i Jesoa
Ny vavak’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpisorona Azy no hitantsika eto amin’ity Jaona 17 ity. Ny and 1-5 dia vavaka fangatahana nataony ho an’ny tenany mba hisian’ny fankalazana noho ny maha-Mpamonjy Azy.
1-Fanomezana Voninahitra an’i Jesoa Kristy Zanaka
Mazava tsara ny vontoatin’ny vavaka nataon’i Jesoa ,araka ny and1 sy and5 « …mankalazà ny zanakao…mankalazà Ahy amin’ny tenanao ».Mifamatotra sy mifandray amin’ny fanandratana an’i Jesoa Kristy eo ankavanan’Andriamanitra Rainy izany .Tonga ny fotoany dia ilay fotoan’ny fankatoavana izay tsy maintsy hiatrehany ny hazo fijaliana sy ny fahafatesana .Ny fangatahany amin’ Andriamanitra Rainy dia ny hisehoan’ny herin’Anriamanitra amin’izany fahafatesany izany ka na dia tsy maintsy ho faty aza Izy dia handresy ka hitsangana amin’ny maty.
2-Fanomezana voninahitra an’Andriamanitra Rainy
Mifamatotra amin’io fanomezana Voninahitra ny Zanaka io ihany koa ny fanomezana Voninahitra an’Andriamanitra Ray .Andriamanitra Rainy no nanome ny Zanaka fahefana amin’ny nofo rehetra .Ny asa nataon’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Zanaka Azy dia fanomezam-boninahitra ny Ray (and4).Tsy ireo asa fahagagana ihany fa indrindra koa ny asa izay nampahafantariny ny olona momba ny fiainana mandrakizay mba handraisan’ny olona ny famonjeny ka hahatonga azy ho mpanome voninahitra an’Andriamanitra. Ny olom-boavonjy dia mahay mankalaza ny Mpamonjy azy.
Fanontaniana:
Fomba ahoana no entinao nankalazana an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy noho ny famonjena notanterahina ho anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM