2 MPANJAKA 19.8-19
Miorena tsara !
Mampihorohoro sy manao teny fihantsiana ny fahavalo,fa hoe : tsy misy maharesy azy ,na dia ny Andriamanitry ny Israely aza no lazaina fa tsy mahasakana azy ,kanefa tsy nahavonjy ireny firenena ireny ny andriamaniny .Manozongozona finoana ny fahavalo nefa matokia ,miorena tsara .
1-Lazao amin’Andriamanitra ny adinao
Noraisin’i Hezekia mpanjaka teny an-tànan’ireo iraka ny taratasy ka novelariny teo anatrehan’ Andriamanitra .Nasehony sy nambarany ary nentiny teo amin’Andriamanitra ny ady mbamin’ny fandrahonana nataon’ny fahavlony . Nino an’Andriamanitra i Hezekia mpanjaka ,tsy voahozongozona ny finoany ,nivavaka sy nametraka ny adiny tamin’Andriamanitra izy .Miorena tsara amin’ny finoana ,vonona ny hihaino ny vavaka ataonao hatrany Andriamanitra. Ento ka ambarao Aminy ny adinao.Matokia Azy!
2-Matokia ny famonjeny
Nivavaka naneho ny finoana i Hezekia mpanjaka.Velona Andriamanitra. Izy no Tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra .Izy no mifehy izao tontolo izao (and15) .Noho izany,dia tsy misy maharesy Azy,azo antoka ny famonjeny,tsy mamela ny olony horavan’ny fahavalo Izy.Izay mivavaka amin’ny sampy no ho resy sy tsy hahita fahombiazana eo amin’ny ady. Ny olona mino sy matoky an’Andriamanitra velonaa dia mandresy hatrany manoloana ny fahavalo.Tsarovy i Jesoa Kristy ,Ilay nandresy ny fahafatesana sady velona mandrakizay .
Fanontaniana:
Inona no tony hataonao mba hahafahanao mijoro manoloana ny olana diavinao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM