Lioka 3.1-9
«…araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin » Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’i Jehovah, Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany. » (Lio 3:4)
Ho avy ny Tompo!
Aoka isika hiomana
Efa fanaon’ny mpanjaka amin’ny firenena maro ny maniraka olona mialoha amin’ny tany izay andehanany. Ireny iraka ireny no manentana ny olona ao amin’ilay tanàna mba hanamboatra tsara mba lalana andehanany ny tsy hisy kitaontaona ka hahatomombana tsara ny fidiran’ny mpanjaka ao an-tanàna. Izany dia toy ny ahafahantsika mampiditra Azy ihany koa ao amin’ny fizinantsilka.
Inona ary no hatao?
Mangatal:a amintsika Andriamanitra mba handray anjara amin’ny fanovana ny fontsika. Ao ny tendrombohitra feno fitiavan-tena tsy maintsy haetry, havoanan’ny hakamoana tsy maintsy harodana; ny
iohasahan’ny tsy rariny tsy maintsy totofana, ny hadalana sy lainga mampihoron-koditra ao anatintsika izay angatahan’ny Tornpontsika mba hofongorana. Noho izany, ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainantsika mihitsy no mila fanavaozana avy amin’ny Fanahy Masina mba hahatongavana amin’ny tena fibebahana
marina.
Fandinihantena :
Tanisao ireo fanamboarana tokony atao handraisana ny Tompo