Jeremia 8.4-7

Ho avy ny Tompo!

Dia mbola hanao ratsy ve isika ? Nahakivy ny Tompo ny zavatra niainan’ny olona tamin’ny andron’i Jeremia satria miodina Aminy, nikiry tamin’ny fanaovan-dratsy ary tsy nety nitsahatra tamin’izany na dia nasaina niverina tamin’Andriamanitra aza. Nambara mihitsy aza fa olona tsy mety miverina. Maro koa isika no mahakivy ny Tompo tahaka izany. Tonga mpanohitra an’Andriamanitra isika. Andao isika hiverina Aminy. Jereo ny fitiavany antsika « Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo…? » (Ezek 18.31) Dia ambàka noho ny biby ve isika?

Misy biby maromaro ambaran’i Jeremia eto: soavaly miriotra ho amin’ny ady etsy an-kilany, ary ny vano sy ny domoina ary ny siditsidina sy ny vanobe etsy an-daniny. Iry voalohany dia lehibe nefa tsy mahalala izay alehany ary ireo faharoa dia kely kanefa mahay sy mahatsinjo ny hoaviny. Kanefa ny olona tsy mba miaina ny fitsipik’ Andriamanitra. Fitsipika izay mahatsara fifandraisana antsika amin’ Andriamanitra. Fa rehefa tonga sy ho avy ny Tompo dia handringana izay tsy miaina araka ny Teniny fa handray amim-pifaliana kosa izay mitoetra amin’ny finoana Azy.

Fampiharana :

Tanisao ireo toetra takian’ny Tompo aminao anio4

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM