SALAMO 24.1-10
Raha hihaona amin’ny Tompo ianao dia:
1-Aoka hadio tànana sy hahitsy fo
Tsaroana eto ny Tenin’Andriamanitra hoe: »Aoka ho masina ianareo satria masina Aho , Jehovah Andriamanitrareo » (Lev 19.2).Takin’Andriamanitra izany ho an’izay olona mivavaka sy manatona Azy.Efa voalazany rahateo hoe: « ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo ka dia tsy mihaino Izy . Fa ny tananareo dia voaloto amin’ny rà, ary ny rantsa-tananareo amin’ny heloka ,ny molotrareo miteny lainga , ny lelanareo mibedibedy faharatsiana » (Isaia 59.2-3). Na dia izany aza anefa dia afaka hanadio tena eo anatrehany isika fa mila ny fanadiovana amin’ny Ran’i Jesoa Kristy .
2-Miomana handray fitahiana
Rehefa lavorary ny fahafahantsika hihaona amin’Andriamanitra dia tolorany fitahiana isika , hoy ny and 5 eto . Izany dia manamarina ny teniny fa izay manatona Azy dia tsy mba holaviny mihitsy .Fitahiana izay mariky ny fandraisana andraikitra ataon’Andriamanitra amin’ny olony , ka hahazoantsikaa fahombiazana sy fahalavorariana amin’izay ataontsika .Eto no tanterahany ny teniny hoe : »…ary ny zanako sy ny asan’ny tànakp dia aoka ho adidiko ihany « (Isa 45.11) sy ny hoe: « ...indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao » (Mat 28.20)
Fanontaniana :
Tanisao ireo sakana azonao ialana raha hihaona amin’ny Tompo
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM