GENESISY 17.1-14
Ity mofonaina anio ity no mampianatra antsika fa raha miara-mandeha amin’Andriamanitra tokoa ny olony (tahaka an’i Abrahama) dia:
1-Hifandraisan’Andriamanitra izy (and1)
« Ary rehefa feno sivy ambin’ny folo taona i Abrama dia nisehoan’i Jehovah ka nitenenany hoe…« ;Asehon’ny fitantarana eto fa tsy itenenany ary anehoany ny maha- Andriamanitra velona Azy ny olony mahatoky.Amboary ny fifandraisanao amin’Andriamanitra dia ho takatrao izay tiany ambara aminao,na amin’ny alalan’ny teniny vakiana na ny teniny toriana na ny teniny tonga nofo izay nonina tamintsika.
2-Valian’Andriamanitra soa izy (and6)
Ny filazana ny taonan’i Abrama eto dia entina maneho fa tsy very maina akory ny fitoerana ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra ,hitany sy fantany avokoa ireny. Ary mamaly soa ny mpanompony Izy,saingy izao,manana ny fotoanany sy ny sitrapony Izy hanatanterahany izany.
3-Mankato an’Andriamanitra (and11)
Fepetra napetrak’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy ny taranany ny hoe: « dia hoforana ianareo ,ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany« .Io famorana io dia tandindon’ny batisa any amin’ny Testamenta . Fa notanterahan’i Abrahama an-tsakany sy andavany i famorana io,tsy nasiana fanontaniana na ady hevitra akory, satria takany fa io no marika sady fidirana ho ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra .Taomina koa isika ,tsy hiady hevitra amin’ny hoe : zaza ,na rano mandeha na endrika ivelany samihafa ,fa hanolotra ny zanantsika ho amin’ny sakramentan’ny batisa ka handray ny fampianarana mikasika izany amin’ny Mpitandrina.
Fanontaniana:
Aiza ho aiza izao ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM