Salamo 127
Ampitain’ny mpanao Salamo amintsika anio fa fanambinan’Andriamanitra no :
1- Mahalavorary ny ataon’ny olona
Voalaza mazava eto fa na inona na inona kasain’ny olona hatao, na inona na iona heveriny ho tanterahina dia tsy tontosa izany raha tsy miaraka amin’Andriamanitra izy. Mifofo volo mihitsy raha miseho ho mahavita tena ka mandeha araka ny saina sy fahalalana fotsiny tahaka ny « mpanao trano » miasa foana raha izay traikefany sy saim-patany no hiasany. Hamafisin’i Jesoa io raha milaza Izy hoe «raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.» (Jao.15,5)
2- Isian’ny fitohizan’ny taranaka
Tena mazava mihitsy ny hoe: «lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo» . Tena fanomezana avy amin’Andriamanitra mihitsy ny taranaka fa tsy vokatry ny fikambanan’olon-droa mivady fotsiny. Noho izany, adidin’izay nomena zanaka no mikolokolo sy mikojakoja tsara izany tombom-pahasoavana avy amin’ny Tompo izany. Mariky ny tsy fahaiza-mankasitraka ny fanaovana antsirambina ny fikarakarana ny taranaka, na amin’ny endriny manao ahoana na amin’ny endriny manao ahoana no isehon’izany. Koa misaora an’Andriamanitra raha nahazo taranaka.
3- Ahazoan’ny mino fandresena
«tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady». Mbola ny zanaka eto no lazaina fa sady tahian’Andriamanitra, ka tsy ho resy tosiky ny fahavalo na ho mora arodana, no tabiha sy reharehan’ny ray amandreny izay nahita fitia teo imason’ny Tompo.
Fanontaniana
Nahoana no tsy mitoky amin’Andriamanitra ny olona?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM