KOLOSIANA 3.18-25

Rehefa taomin’i Paoly hampitoetra betsaka ny Tenin’i Kristy ao aminy ny kristiana dia toroany hevitra kosa indray ny amin’izay andrasana amin’ny tsirairay ao anatin’ny ankohonana mba hananana fiainam-pianakaviana mirindra .

1-Lehilahy sy vehivavy (mpivady) mifankatia (and20)

Ny vehivavy dia asaina manaiky ny vadiny araka izay mety atao ao amin’ny Tompo, izany hoe: manome fahafaham-po ny vadiny amin’ny lafiny rehetra ,hahazoana mikolo ny fitiavana ,ary tena tokony hifampiresahan’ny mpivady soamatsara izany . Ny lehilahy kosa dia asaina « mitia » ny vadiny ,manome ny manontolo amin’ny fitiavana ,na amin’ny teny izany na amin’ny alalan’ny fihetsika ary tsy safidy izany fa tena adidy mihitsy . Ireo zava-droa loha ireo anefa dia ao amin’ny Tompo ihany no hahazoana manatanteraka azy .

2-Zanaka sy Ray amandreny mifanaja (and21)

Miharatsy ankehitriny ny fifandraisana eo amin’ny zanaka sy ray aman-dreny , hany ka tsy misy intsony ny fifanajana sy ny fifampitsinjovana , fa eto kosa dia tarihan’iPaoly ny zanaka ho feno fankatoavana ,tsy hanao zinona ny ray aman-dreny ,ary mirazotra amin’izany koa ,ny ray amandreny tsy hanao izay hampitondra alahelo ny zanany . Ho zanaka manoa tahaka an’iJesoa ary Ray be fitiavana tahaka an’Andriamanitra .

3-Mpiasa sy mpampiasa (and22)

Ny fifandraisana no tena tsipihan’iPaoly eto koa ny mpiasa dia taomina hankato ny mampiasa azy amin’ny fandaminana sy ny fifampitondrana samihafa eo amin’izany sehatra izany , ary ny mpampiasa kosa tsy hanao tsindry hazo lena na didiko fe lehibe fa hifampihaino kosa , ary hifanitsy am-pitiavana raha ilaina izany .

Fanontaniana:

Ahoana no iainana izay voalaza ao amin’ny ankohonanao?

Sampana SekolyAlahady FOIBE FJKM