Lioka 2.39-52
Jesoa avy natolotra tao amin’ny Tempoly no tantaraina amintsika eto, arahin’ny zava-nitranga taorian’izany. Torohevitra no azo tsoahina avy amin’izany
1- Atolory an’Andriamanitra ny zanaka (and.39)
Araka ny fanao teo amin’ny Jiosy dia atolotra ho an’Andriamanitra ny zaza rehefa feno valo andro. Misy heviny manokana io valo andro io, fa ny tena isarihana antsika dia izao : rehefa nomen’Andriamanitra taranaka dia ataovy laharam-pahamehana ny manolotra azy ho an’ny Tompo. Ento any ampiangonana izy, hatolotra araka ny litorjiantsika, ary iomany koa ny hanolorana azy ho amin’ny sakramentan’ny batisa, fa misy fihantraikany amin’ny ho aviny izany.2- Aza ankinina amin’olo-kafa ny zanaka (and.44)
Ny ray amandreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny zanany, na amin’ny fitaizana izany, na amin’ny fanaraha-maso samihafa. Aoka tsy ho tafandry mandry amin’ny fandraisana antanana ny zanantsika, ka hihevitra fotsiny hoe efa ao i ranona na i ranona, tahaka izay nahavoa an’i Josefa sy i Maria izay nihevitra fa « niaraka tamin’ireo izay niara-dia taminy » i Jesoa zaza. Raiso an-tanana ny zanakao, raha tsy izany, tsy ny tenany ihany no ho very fa ny fanahy sy ny ho aviny koa. Mandraisa andraikitra.
3- Ampianaro Tenin’Andriamanitra ny zanaka (and.46)
Rehefa notadiavina i Jesoa zaza, dia tany an-tempoly no hita. Ary tsy hoe nilalao teo an-tokotany fa «nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy». Azo tarafina amin’izany fa zaza voataiza sy voabe tamin’ny Tenin’Andriamanitra i Jesoa zaza, hany ka mankamamy izany, sady tamana ao an-tempoly. Hatraiza re ny fampianarantsika Soratra Masina ny zanantsika e?
Fanontaniana
Manao ahoana ny zanakao raha oharina amin’ity tantara ity ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM