Hebreo 13,4-7

Zavatra telo no itaoman’ny Epistily ho an’ny Hebreo antsika fa tokony ialana
1- Fijangajangana
«Aoka hanan-kaja amin’ny olona ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana» (and.4) hoy ny volaza eto. Efa nanaovana fanekena teo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana ny fanambadiana ka nilazana hoe: « hijanona aminao irery mandrapiavin’ny fahafatesana ». Midika izany fa tsy manana anjara ao amin’ny fanambadiana Kristiana mihitsy ny fampirafesana sy fanitsakitsaham-bady. Taomina ary isika, tiavo sy hajao ny vady fa fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra. Ary aza adinoina koa «mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra». Ianao izay manam-bady, sady aza maka no aza alaim-badin’olona
2- Ny fitiavam-bola
«Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo fa mianina amin’izay anananareo» (and.5). Fandrika mahapotraka ny maro ity fitiavam-bola ity, ary mena miraviravy arentirentin’ilay ratsy. Hany ka zary roboka manompo vola mihitsy aza ny sasany. Tandremo ihany fa efa voa tamin’io i Gehazy, efa lavon’io i Ananiasy sy Safira sy ny hafa. Omen’ny Tompo izay sahaza ny mino fa aza miroaroa saina ka dia hoe hanompo sy hitady vola amin’ny fomba rehetra
3- Ny tsy finoana
«hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany» (and.7) hoy ny Epistily mitaona ny mino hahatsiaro ny Tenin’Andriamanitra notoriana taminy. Taomina hanohy ny lalan’ny finoana araka izany isika, tahaka ireo mpanompon’Andriamanitra efa nirahiny hampianatra antsika.

Fanontaniana
Manoloana ny fampianarana voaray anio, inona no atao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM.