MARKA 12.18-27

Abaribarin’i Jesoa eto fa ny antony mahadiso hevitra ny olona ka mahatonga azy te-haka fanahy an’Andriamanitra sy hanao fampianaran-diso dia ny tsy fahafantarana ireto zava-droa loha ireto :

1-Ny Soratra Masina (and24a)

Hoy i Jesoa : « tsy izao tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina izao... » .Raha tomorina akaiky io tenin’i Jesoa io dia toa eson-teny ihany satria ny Sadoseo ankoatry ny maha-antoko politika azy dia mpisora-tena ho mpivavaka sady midongy ho taranak’i Zadoka Mpisoronabe tamin’ny andron’i Davida . Ambonin’izany ,mpisorona rahateo ny ankamaroan’ny mpikambana ao aminy .Raha izany sata sy toerana misy azy ireo izany no jerena dia tokony ho olona mahalala tsara ny Soratra Masina izy ireo ,saingy ny mahavariana dia ireto izy te-hamandrika an’i Jesoa . Ny marina anefa dia izao : mahafantatra ihany ,saingy ny tsy finoana no betsaka (tsy mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty mihitsy mantsy ny Sadoseo eo amin’ny and 18) ka mahatonga iza fihetsika izany .

2-Ny herin’Andriamanitra (and 24b)

Ny tian’i Jesoa ambara amin’izany dia izao : ireo Sadoseo ireto dia variana amin’ny soratra sy endrika ivelambelany fa tsy manana traikefa na fifandraisana lalina amin’Andriamanitra ,hany ka mijanona ho maizina ihany ny fony, ary io fahamaizinan’ny fony io mampanaotao foana azy satria ny heveriny ho fahalalana sy saim-pantany no itondrany ny fiainany.Taomina àry isika mba hanana fifandraisana velona sy lalina amin’Andriamanitra fa izany no ahafantarantsika ny herin’Andriamanitra aryizany koa no manamafy ny finoantsika tsy ho azon’ny fampianaran-diso hozongozonina.

Fanontaniana:

Inona no tokony hatao mba tsy hahadiso hevitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM