MARKA 10.2-12

Jesoa Kristy mamaly ny olona maka fanahy Azy

1-Mamerina azy amin’ny Soratra masina

« Koa izay nakamban’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahan’olona »(and9) . Fintin’ny hevitry ny Soratra masina roa (Gen 1.27/2 ;24) no nentin’i Jesoa Kristy namaly ny Fariseo izay naka fanahy Azy.Naverin’i Jesoa kristy tamin’ny Soratra masina izay efa fantany ny Fariseo,raha nanazava momba ny fanambadiana Izy.Noho izany ,aoka hiorina amin’ny Soratra masina ny hevitra rehetra entina manazava sy miaina ny fanamabdiana.Andriamanitra no nahary  ny fanambadiana ary ny Soratra masina no anambaran’Andriamanitra fomba fiainana izany fanambadiana izany .Tsy araka ny fahendrena na ny fahaizan’olombelona anefa no entina manazava izany fa izay araka ny fampianaran’i Jesoa Kristy .

2-Manambara ny hevitr’Andriamanitra

« Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga…»(and11,12). Rehefa tonga tao an-trano i Jesoa Kristy sy ny mpianatra  dia nanontany ny hevitry ny valitenin’i Jesoa Kristy izy ireo . Tamin’izany  no nanambaran’i Jesoa Kristy  fa ny fisaraham-panambadiana dia midika ho fijangajangana .Naverin’iJesoa Kristy tamin’ny hevitra fototra , hatrany am-piandohana ny fanazavany ,ny fanambadiana izay naorin’Andriazmanitra dia fanambadiana tsy misy  fisarahana satria ny fanambadiana dia fiombonana  aina mandra-pahafaty.Noho izany ,aoka tsy ny olana mitranga  amin’ny fiainana ny hatao no antony hanamafy fisarahana eo amin’ny mpivady .Ny fisian’ny olana aza no tokony  hanamafy ny fiombonana sy ny fifamatorana eo amin’ny mpivady , hiankinany  amin’Andriamanitra dia Ilay Andriamanitra nanorina ny fanambadiana .

 Fanontaniana :

Hevitra avy aiza no hanorenanareo  ny tokantranonareo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM