Ohabolana 31,10-22
Ny vehivavy mendrika
« Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe :
sambatra; ny lahy koa mitsangana ka midera azy…» (and.28). Midera ny vehivavy mendrika ny lahy satria tsy noho izy miavaka ihany fa noho ny fahendrena ananany. Tonga fiainany mihitsy ny fahendrena sy fahamendrehana. Mitondra fahasambarana sy fifaliana ho an’ny tokantrano ny vehivavy mendrika. Amin’ny fotoana ahatsapan’ny lahy fa tena mendrika ny vadiny dia hidera azy izy ary ny zanany ho feno fahasambarana. Ny vehivavy mendrika dia mahay maneho mandrakariva toetra mendrika eo anatrehan’ny vadiny sy ny zanany fa mpanompo sady mahay manompo. Ny fisainana kristiana dia mandray izany ho toy ny Fiangonana izay vadin’i Kristy araka an’Andriamanitra, ary mendrika ho vadin’ny mpanjaka dia Jesoa Kristy izany
Fanontaniana
Inona no antony tsy hananan’ny vehivavy ireo toetra ireo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM