2 KORINTIANA 10.12-18
Ny Mpitory ny Filazantsara
1-Mampifandray ny mpitory sy izay toriana
« ...Fa tonga hatrany aminareo izahay amin’ny filazantsaran’i Kristy » (and14) .Tao amin’i Paoly ny fahavononanan tanteraka hanitatra ny fitoriana ny Filazantsara .Tonga hatrany amin’ireto olona mila vonjy ireto i Paoly mba hitory ny Filazantsara. Tsy ny tenin’i Paoly ihany no tonga tao amin’ireo nitoriana fa hitan’izy ireo ny fitondrantenany ,ny fijoroany ho vavolombelona ,ny fombany .Araka izany dia mamboly fifandraisana eo amin’ny mpitory sy ny itoriana ny Filazantsara. Mampita fomba fiainana vaovao ho fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy araka ny voalaza ao amin’ny Asa 1.8 hoe: « Ho vavolombeloko ianareo …hatrany amin’ny faran’ny tany »
2-Mikendry finoana
« ...fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo dia hohalehibiazina ao aminareo izahay…« (and15) .Adidin’ny mpitory Filazantsara ny mikolokolo sy mampitombo ny finoan’ireo amin’ny alalan’ny toriteny sy fampianarana samihafa.Tsy azo terena hanaiky ny maha-izy azy ny mpitory eo no eo ny olona, fa rehefa mitombo ny finoany dia tafatoetra ao aminy ny fanekena sy fanajana ny mpitondra sy ny mpitory Filazantsara. Ho anao mpitory, aza terena hanaraka izay fotoana fohy eritreretinao ny fahitana vokatra .
3-Tsy voafatotra amin’ny toerana iray ihany
« ka hitory ny Filazantsara amin’ny tany any ankoatrareo... » (and6) .Efa fantatr’i Paoly mialoha any amin’ny toerana hafa ny fitoriany Filazantsara .Tsy voafetra amin’ny toerana ny fitoriana ny Filazantsara .
Fanontaniana :
Mitondra inona eo amin’ny mpino ny Filazantsara ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM