Tanteraka  ny Sabotsy 12 sy Alahady 13 Aogositra 2023 ny ivon’ny “Fankalazana Faha120 taona” n’ny Fiangonana  FJKM Ziona Vaovao Tranovato Alatsinainy-Bakaro.
Notokanana tamin’izany ny  ezaka “Valintafo” mitentina 60 000 000 Ariary ho fanamarihana ny Fankalazana.
Nitondra ny fotoana ny Mpitandrina RABENANTOANINA Solofonindriana  filohan’ny Synodamparitany Atsimon’Iarivo Miray  sy ny kristianina maro. Nandray anjara fitenanana ny Mpitandrina RAKOTONANAHARY Tiana Holda  ny Filohan’ny Komity sy ny Filohan’ny ZAFA.
Niombompo sy nankalaza an’Andriamanitra sy ny Fiangonana manontolo , niaraka tamin’ny Zanaka ampielezana sy ireo Kristianina marobe tonga nanatrika.
Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

 
Endriky ny fiangonana miaraka amin’ny valintafo sy ny loko vaovao :
Fotoana tamin’ny ivon’ny Fankalazana :


Ampahany Komity :
Sabotsy 12 Aogositra – VHF Vavaka Hira Fiderana tonga nanao antsakira:
Fanatanterahana ny valintafo sy ny loko :

Teny nentin’ny Filohan’ny ZAFA

(Sary : Nampitaina sy nalaina tamin’ny tambajotra)