MARKA 6.25-34
Izay mijoro amin’ny finoana dia :
1-Hosamborina
Naiditr’i Heroda am-ponja i Jaona mba hanginany. Tsy mahazaka ny fahamarinana ny amin’ny fampianaran’i Jaona i Heroda ka nilaza hoe : diso ianao ( and17,18 . Tsy mizaha tavan’olona ny làlan’Andriamanitra fa mitovy avokoa na ny ambony na ny ambany. Tsarovy fa izay milaza ny marina sy sahy mijoroa amin’izany dia hosamborina ary ampidirina am-ponja. Ny olona milaza ny marina sy mijoro hatramin’ny farany noho ny amin’ny teny fahamarinana dia tsy maintsy hosamborina ka ampidirina am-ponja ihany koa.Tandra vadi-koditra teo amin’ny filazana ny marina ny fisamborana izay efa nihatra tamin’ny maritioran’ny finoana. Ianao koa dia mety hosamborina satria milaza ny marina .Mahereza àry , aza mihemotra !
2-Hovonoina
Nahasorena an’i Herodiasy ny toritenin’i Jaona ka nanaovany an-dolompo tsy maty. Na dia teo aza ny fiarovana nataon’i Heroda dia niafara tamin’ny famonoana sy fanapahan-doha an’i Jaona ny tanjona nokendren’ireto nandritra ny fanasana izay nataony .Tranga mety hahazo izay mijoro ho vavolombelona amin’ny finoana koa ny toy izao nahazo an’iJaona izao. Tsaroantsika izay nahazo ny maritioran’ny finoana toa an-dRASALAMA , dia ny nanjo azy ireny tamin’ny fanenjehana maro izay niafara tamin’ny famonoana .
Fanontaniana :
Misy kristiana matahotra fisamborana ve ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM