Mofonaina 21 Août 2023: Lio 1/1-7
Ary tamin’izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesoa dia niteny tamin’ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy. 2. Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. 3. Koa na inona na inona teneninareo ao amin’ny maizina dia ho re eo amin’ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin’ny efi-trano dia hotorina eo amin’ny tampon-trano. 4. Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. 5. Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin’ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy. 6. Tsy eranambatry va no vidin’ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. 7. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
Aza matahotra olona, fa matahora an’i Jehovah Andriamanitra.
Ny fahefan’ny olona dia voafetra. Samy mametra izany fahefan’ny olona izany ireto: ny amboniny, ny heriny, ny taonany, ny toerany. Fahefana eto an-tany ihany. Kanefa na eto an-tany aza voafetra. Fahefana amin’ny nofo ihany. Isika anefa sady nofo (tena) no aina ary fanahy.
Ny fahefan’i Jehovah Andriamanitra kosa tsy voafetra. Tsy eto an-tany ihany fa hatrany amin’ny helo na fiainan-tsihita, eny, hatrany amin’ny lanitry ny lanitra. Tsy ny nofo ihany, fa hatramin’ny fanahy. Raha ho avy ny fotoana fitsarana farany, dia IZY irery no ho Tompon’ny teny farany, IZY no masi-mandidy. Raha mino sy matoky AZY ianao dia homeny ny fiainana tsy manam-petra, fa raha mandà AZY kosa dia ny fijaliana mandrakizay.
Antso ho anao: minoa an’i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao.
Ho an’Andrialanitra irery ny voninahitra. Amena

Source