EKSODOSY 17.8-16

Miatrika ady ny Zanak’Israely

Ny anjara ady mivantana tsy maintsy ataon’ny olona

Lazain ‘ny tantara fa voalohany hiatrehan’ny zanak’Israely ady mivantana izao voalaza eto izao .Teo aloha mantsy dia ny Tompo Andriamanitra hatrany no miady mivantana ho azy ireo araka ny Eks 14.14 . Fa eto kosa dia miova ny fomba fiady amin’ny hoe : « mifidiana lehilahy ho antsika dia mandehana ka miadia amin’ny Amalekita » . Na izany aza tsy miova akory Andriamanitra mihevitra izay hanampiana ny olony hatrany Izy . Araka ny hita eto anefa dia tsy mijanona amin’ny fomba fiasa anankiray Izy amin’izany fiheverana ny olona izany , fa araka ny zava-misy no handaminany ny endriky ny fanampiany ny olona . Hita eto fa mizara roa ny fomba natrehana izany ady izany .

-Ny teny an-tany fiadina : Josoa sy ireo olona nofidiany no voalaza eto fa miatrika ady mivantana ary mampiasa fitaovam-piadiana toy ny sabatra mihitsy izy ireo .Amin’ny ady atrehan’ny olona araka izany na dia voalaza aza hoe : manampy Andriamanitra dia tsy hoe : mijery fotsiny akory ny olona , tsy hoe : miandry sy mamihin-tànana fotsiny akory ny olona fa tsy maintsy misy ny zavatra ,hetsika ,fandraisana andraikitra tandrify azy .

-Ny toerana faharoa niatrehan’ny olona izany ady izany dia teo an-tampon’ny havoana izay nataon’i Mosesy . Ny mpahay Baiboly dia milaza fa sarin’i Jesoa Kristy nanao sorona ny ainy sy nivavaka ho an’ny olona izany. Araka izany ,ny olona dia tsy maintsy manao izay tandrify azy, kanefa tsarovy fa eo hatrany ny Tompo .

Fanontaniana :

Misy anjaran’ny olona ihany ve ny ady atrehan’ny olona sa hiandry an’Andriamanitra hiady ho azy irery izy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM