Ohabolana 3,21-26

Jehovah Andriamanitra no tokinao


Fantantsika tsara fa sarotra ny fiainana ary tena manahirana tokoa ny miaina ankehitriny. Hitantsika eny amin’ny fiaraha-monina fa zavatra kely fotsiny, fitenenana kely tsy noheverina hampaninona, fihetsika kely tsy toa inona akory dia mety hahitan-doza. Eo anatrehan’izany, manolo-tsaina ny hendry amin’ny alalan’ity teny ity manao hoe : matokia an’i Jehovah Andriamanitra ka araho ny torohevitry ny hendry araka izany. Aoka tsy hiala eo ambany masonao ny fahendrena sy ny fisainana mazava. Marihina fa ampilaharin’ny hendry ireto: ny fahendrena sy ny fisainana mazava andaniny, ny ain’ny fanahy sy ny firavaky ny vozona ankilany. Ireo hevitra andaniny sy ankilany ireo ato amin’ny bokin’ny ohabolana dia nalahatra satria mitarika ny olona ho amin’ny fiainana sy ny fahavelomana ho araka ny tokony ho izy. Koa satria mandalo amin’ny tenda sy ny hatoka izany dia raha mahita ny vehivavy miambozona firavaka izany ny hendry mpanao ohabolana, dia mahatsiaro indrindra ny fahavelomana avy amin’Andriamanitra izy.
Ny tiany ambara amin’ny hoe : «ain’ny fanahy» sy «firavaky ny vozona» izany dia tenim-pahendrena hilazany ny fahamalinana amin’ny zava-misy manodidina rehetra sy ny fananana fisainana mahafatan-javatra sy mahataka-javatra mba ho afaka miomana sy miatrika ny zava-misy na dia ho sarotra aza izany. Raha matahotra an’Andriamanitra, mino, mivavaka sy mifandray tsy tapaka amin’Andriamanitra anefa ny olona dia tsy hisy akory izany. Ny olona manam-pinoana an’Andriamanitra dia tsy manahy amin’izay zava-doza rehetra mety hamely azy, fa ny ratsy fanahy no manahy amin’izany

Fanontaniana:
Inona no toky hiatrehan’ny olona ny fisedrana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM