Jeremia 30,8-11
8 Fa amin’izany andro izany, Hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ny vozonao sy hotosako ny fatoranao, ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao intsony;
9 Fa ianao hanompo an’i Jehovah Andriamanitrao sy Davida Mpanjakanao, izay hatsangako ho anao.
10 Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; ary aza mivadi-po, ry Isiraely; fa, indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary ny taranakao avy any amin’ny tany izay nahababo azy; dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry fahizay, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
11 Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, ianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
Jeremia 30,8-11
Hiverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny olona
Lasa babo ny olona noho ny ratsy nataony
Mpaminany sahy nilaza ny faharatsian’ny olona i Jeremia ary ny ankapoben’ny teny faminaniana nataony dia milaza fa feno faharatsiana ny olona. Niala tamin’ny fanompoana sy fivavahana tamin’Andriamanitra ka tsy maintsy ho lasa babo any amin’ny firenena jentilisa, sy hanompo azy amin’izany izy noho izany faharatsiana niniany natao izany. Nahatezitra mafy ny Tompo mantsy izay nataon’ny olona ka hamaly izany Izy. Manamarina izany izay voalazany hoe: «hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny» (and.12).
Fanontaniana:
Afaka manantena fanafahana avy amin’Andriamanitra ve ny olony?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM