I Mpanjaka 17. 1 – 16


Miteny sy maniraka ny olony ny Tompo


Nirahin’ny Tompo sy noteneniny i Elia hiala eo amin’ny toerana izay misy azy fa ho any amin’ny toerana izay anirahan’ny Tompo azy kosa (and 3 – 4, and 8-9). Tena azo lazaina hoe: miala amin’ny mahazatra ny zavatra notenenin’ny Tompo taminy satria andaniny ny goaika, ary ankilany ilay vehivavy mpitondra tena no efa nomanin’ny Tompo hamelona azy. Kanefa nanaiky ny Tenin’ny Tompo izy na izany aza satria nino izy. Mariho tsara mantsy izay nataony (and 5) fa lasa izy nanao araka ny Tenin’i Jehovah ( and 10) dia niainga izy ka nankany Zarefata.
Ny tena mahavariana eto dia izao : aiza moa ny goaika no hahita hanina ho an’i Elia maraina sy hariva? Ary ny hoe vehivavy mpitondra tena, tsy misy ianteherana anie no tiana ambara amin’izany e! Tsy manana na inona na inona mihitsy izy amin’izany sehatra iainany izany ka inona moa no tokony antenain’i Elia amin’izany? Na izany aza anefa ny zava-dehibe dia izao : Andriamanitra no mandamina ny zavatra rehetra. Nino tanteraka izany i Elia ka tsy nisalasala mihitsy izy nankato izay notenenin’ny Tompo sy ny nanirahany azy. Izao no foto-pampianaran’ny Fiangonana: Andriamanitra dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay , koa raha miteny sy maniraka ny olony ny Tompo, moa mbola misy olona mino ny Teniny hatrany ve ary manaiky hirahiny tahaka an’i Elia mpaminany? Miteny sy maniraka olona ihany koa ny olona. Rehefa nahita ilay vehivavy mpitondratena i Elia dia naniraka azy hanome rano hosotroiny sy hanome mofo hohaniny. Ka na dia nandà aza izy aloha dia nanaiky hanome izay ilainy ihany, noho ny finoany fa Andriamanitra no miteny sy miasa.
Fanontaniana :
Mbola miteny sy maniraka ve ny T’ompo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM