Mofonaina 11 Août 2023: Jao 16²⁵-³³
Tao anatin’ny herinandro farany mialohan’ny hahafatesan’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana ity. Mametraka ny hafatra sy teny faraparany ho an’ny mpianany IZY.
1-Jesoa nivoaka avy amin’ny Ray.
Tsy Jesoa Zanak’i Josefa sy Maria no fototry ny famonjena, fa Jesoa Kristy Zanak’i Jehovah Andriamanitra Ray. Diniho tsara ny tetiharana ao amin’ny Mat 1¹-¹⁷: izay zanaka rehetra dia tononina ho nateraky ny rainy, fa tsy Jesoa irery no voatonona ho nateraky ny reniny. “Abrahama niteraka an’i Isaka; ary Isaka niteraka an’i Jakoba;…ary Maria niteraka an’i Jesoa, Izay atao hoe Kristy.” Fanamafisana ny foto-pinoana hivelomantsika izany fa tsy Jesoa araka ny nofo no IZY, fa Jesoa araka ny Fanahy. Jesoa araka ny Fanahy no nitondra ny fahotantsika sy nanamarina antsika, ILAY NIVOAKA AVY TAMIN’NY RAY.
2.Jesoa mahalala ny zavatra rehetra.
And.30: “Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin’Andriamanitra Ianao.” Ny mpianatra dia nahatsapa fa mahay sady mahalala ny zavatra rehetra Jesoa Kristy. Alohan’ny hahatongavany ho nofo dia efa nanambara ny momba AZY ny mpaminany, araka ny Isa 9⁵ hoe: “.. ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina…”
Tsy mila tolotsaina avy aminao IZY, fa IZY mihitsy no Mpanolotsaina Mahagaga, satria mahay ny zavatra rehetra. Averiko indray, fa Jesoa Kristy no hany “Grand Architecte” tamin’ny fanorenana sy fahariana izao tontolo izao. Tsy fanorenana tetezana na trano, tsy ny tany fotsiny fa hatramin’ny lanitra sy izay rehetra eo aminy (Ohab 8²³-³¹). Tsy misy mahay manorina zavatra eo ambony rano, afa-tsy Jesoa Kristy.
HAFATRA.
Ao anatin’ny hafatra faraparany, hoy isika, ity mofonaina ity. Matoa manao izany Jesoa Kristy, dia vita ny asany tety (Jao 19³⁰). Araka ny fampianaran’i Paoly (Filip 2⁵-¹¹), dia naverin’ny Ray ho eo amin’ny toeram-boninahiny taloha IZY. Koa minoa AZY, manaova toa AZY, dia hiara-mitoetra AMINY ianao (Jao 14³)

Source