1 SAMOELA 10.17-27
Ny Mpanjaka eo amin’ny firenena
1-Andriamanitra no mifidy azy
« Hitanareo va izay nofidin’i Jehovah , fa tsy misy tahaka azy eo amin’ny vahoaka rehetra »(and 24a).Teny nataon’i Samoela teo anatrehan’ny vahoaka tamin’ny fametrahana an’i Saoly ho mpanjaka izany .Naseho teo anatrehan’ny vahoaka i Saoly ary hita fa izy no lava indrindra , ary nambaran’i Saoly koa fa izy no nofidin’i Jehovah .Na dia somary nanahirana ihany ny adihevitra momba ny fahazoana mpanjaka dia nofidin’i Jehovah i Saoly .Rehefa miziriziry amin’ny heviny ny vahoaka ny amin’izay tiany hitondra azy , eken’Andriamanitra izany . Andriamanitra manome mpitondra ho an’ny vahoaka avy aminy ny mpitondra. Noho izany , mila mangataka mpitondra hendry sy mino an’i Jesoa Kristy ny vahoaka mba hitondra azy .
2-Mendrika fanajana
« dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe : ho ela velona anie ny mpanjaka » (and 24b). Rehefa nasehon’i Samoela ny vahoaka i Saoly ary nambarany fa io no mendrika ho mpanjaka hitondra ny vahoaka , dia nihoby ny vahoaka .Mariky ny fifaliana sy fanjakan’ ny mpanjaka izany , satria sarobidy ny fanomezana avy tamin’i Jehovah dia nifaly tamin’izany ny vahoaka. Manoloana izany , ny kristiana ihany koa dia tokony hifaly sy hanaja ny mpitondra azy satria fanomezana avy tamin’Andriamanitra izany .Olom-boafidin’Andriamanitra ny mpitondra ka tokony hohajaina indrindra .Tsy ny mpitondra fanjakana ihany anefa fa ny mpitondra fivavahana ihany koa. Koa manajà ny mpitondra fa olom-boafidin’Andriamanitra izy ireny . Jesoa Kristy rahateo mitarika sy mampianatra antsika ho amin’izany fanajana ny mpitondra izany .
Fanontaniana :
Inona no mahatonga ny vahoaka tsy hanaja ny mpitondra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM