2 TANTARA 6.1-6

Andriamanitra mitoetra ao amin’ny tranony

1-Manatanteraka ny Teniny

« nifidy an’i Jerosalema Aho hitoeran’ny Anarako » (and 6). Nisaotra an’Andriamanitra i Solomona mpanjaka eto ,raha nitsodrano ny vahoaka izy tamin’ny fitokanana ny Tempoly satria nahatsiaro ny Tenin’Adriamanitra .Teny naloaky ny vavan’Andriamanitra ny hisian’ny trano hitoerany ao Jerosalema,ary tanteraka izany amin’izao fitokanana izao. Araka izany , Andriamanitra dia mitana ny teny nataony ary mahatanteraka izay rehetra nolazainy. Mety ho ela ihany ny fahitan’ny olona izay voalazan’Andriamanitra vao tanteraka saingy tsy maintsy tanteraka izany. Ary toy izany ihany koa ny amin’ny tenin’i Jesoa Kristy sy izay rehetra nampilazaina momba Azy .Tsy maintsy tanteraka izany ka minoa ny Teniny .

2-Mifidy ny mpanompo

« …ary nifidy an’i Davida Aho hanapaka ny Israely oloko » (and6). Rehefa nifidy ny tanànan’i Jerosalema Andriamanitra dia nifidy ny Israely ho olony ihany koa , ka i Davida mpanjaka no nofidiny ho mpanapaka ny vahoaka , sady nifidy vahoaka Andriamanitra no nifidy mpitondra azy ihany koa. Samy nofidin’Andriamanitra ho mpanompony avokoa ireo na vahoaka na ny mpitondra. Araka izany ,nifidy olona Andriamanitra ka adidin’ny olom-boafidy ny mahatsiaro ny hasarobidin’izany fifidianan’Andriamanitra azy izany. Aseho amin’ny alalan’ny fihavanana sy fivavahana ary fanompoana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’iJesoa Kristy izany .Anton’ny fifidianan’Andriamanitra dia fanompoana. Koa izay rehetra mahatsiaro ho olom-boafin’i Jesoa Kristydia tsy maintsy manompo an’i Kristy .

Fanontaniana :

Inona no fanompoana tanterahinao amin’ny maha-olomboafidin’i Kristy anao ? Vitanao tsara ve izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM