Asan ‘ny Apostoly 6.1-7
Azontsika tsoahina avy amin’ny mofonaina anio ny toetoetry ny olona ilaina sy afaka mampandroso ny Fiangonana, tsy hafa izany fa ny olona :
1- Mahalala ny laharam-pahamehany (and 2b)
«Tsy mety raha mandao ny Tenin ‘Andriananitra hitandrina ny latabatra izahay». Hita eto ny fahendrena sy faharanitantsain’ny Apostoly . Fantany tsara ny tena fototr’asa sy tena zava-dehibe, hany ka tsy nozarainy tamin’ny hafa ny andraikitra. Tsy vao izy ireo no nanao izany fa i Jesoa koa dia tena nanao izany, naniraka ny mpianany Izy fa ny asam-pamonjena tsy azony ialana dia notanterahiny. Isika koa, aoka tsy hampivangongoana eo amintsika irery ny andraikitra ka isıka ireny no hanao an’itsy sy iroa .Tsy
mampandroso izany !
2- Feno finoana sy Fanahy Masina (and 5)
«Dia sitraky ny olona ny teniny ka dia nifidy an’i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina». Hita eo aloha fa misy mason-tsivana napetraky ny Apostoly (and 3), ary ny anankiray izay tena nahafeno izany fepetra izany sady voasingana manokana (na dia fito lahy aza no nofidiana) i Stefana. Olona tahaka azy no ilain’ny Fiangonana, mba tsy ho mpitady tombontsoa manokana sy tsy mihevitra afa-tsy ny tenany ihany.
3- Manaraka fandaminana (and 6)
«Ary rehefa nivavaka ny Apostoly dia nametra-tànana taminy». Ny fametrahan-tànana dia sady maneho ny fandraisana ny Fanahy Masina no midika ho fanomezan-pahefana ihany koa. Hita eto fa na dia no fidian’ny olona aza ireo diakona fito lahy dia tsy maimaika foana fa niandry tamim-pahendrena sy fanetren-tena ny fandaminana. Isika koa, , na dia mafana fo aza, tsy tokony hihazakazaka foana fa miandrasa ny fotoana mety sy hanirahan’ny Fiangonana.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fahitanao ny Fiangonana ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM