Salamo 89. 19- 32


Fomban’Andriamanitra izay hitantsika taratra ao amin’ny Soratra Masina manontolo ny mifidy olona hiara-hiasa Aminy. Anankirav amin’irenyi Davida izay voalazan’ny mpanao Salamo eto, ary ahasinkasin’ny mpanoratra mihitsy ny tombontsoan’ny olom-boafidin’Andriamanitra, ka hita eto fa izay nofidian’ Andriamanitra dia:
1 Avahany ao anatin’ny maro (and 20)
«Efa nahita an’i Davida mpanompoko Aho, ny diloiloko masina no nanosorako azy» hoy ny Tompo eto, mpisolo tena milaza fananana ny hoe «-ko». Miharihary amin’izany fa raisin’ Andriamanitra ho
Azy ho fananany manokana ny olona fidiany, tsongainy sy avahany ao anatin’ny maro ary atokany ho Azy ka omeny anjara fanompoana manokana ( izany ho hevitry ny fanosorana ).
2- Arovany amin’ny fahavalo (and 23)
«Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan ‘ny tavany Aho sady hamely izay mankahala azy
» hoy ihany ny Tompo . Entiny maneho izany fa maha- sarotiny Azy Andriamanitra ny mpanompony ka tsy avelany ho resy na hilavo lefona ,fa Izy tenany mihitsy no mirosaka an-tsehatra mandresy ny fahavalony. Isika koa, nofidian’Andriamanitra, aza matahotahotra manao ny fanompoantsika fa miaro antsika ny Jehovah. Manome toky antsika rahateo Jesoa fa momba antsika mandrakariva Izy (Mat 28. 20)
3- Voatahy hatramin’ny taranany (and 29, 36)
Mazava ny filazan’ Andriamanitra hoe «Hampaharitra ny taranany mandrakizay Aho», izany hoe : voahevitry ny Tompo hatramin’ny ho avy milhitsy ny fiainan’ny mpanompony ka ny fitahiana avy Aminy dia isitrahan »ny taranaky ny voafidiny. Tanteraka tamin’i Davida sy ny taranany izany, ary azony toviny amintsika ankehitriny koa !
Fanontaniana:
Inona no tokony mba hatao hisitrahana ireo voatanisa ireo?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM