GENESISY 18.16-33

Abrahama vao avy nampanantenain’ Andriamanitra taranaka, na dịa efa zato taona aza no asehon’ny tantara amintsika eto. Abrahama izay mino sy matoky ny teny fikasana, ary nofidian’Andriamanitra
koa ho fitahiana ny firenena rehetra. Faka tahaka ny finoan’i Abrahama ary ampianarana antsika koa hoe : Minoa dia
1- Ho akaiky an’Andriamanitra (and 17)
«Ary hoy Jehovah nanao hoe : hafeniko an’i Abrahama va izay hataoko?», io fomba hanehoan’ny mpitantara ny anjara toerana na fomba fijerin’ Andramanilra an’i Abrahama io no hahatakarantsika
fa rehefa mino marina sy nitoetra ho mahatoky ny olona dia tonga akaiky an’Andriamanitra izy, tsy hanafenany sy asany sy ny sitrapony. Ilay teny hoe «nifidy» (and 19) rahateo dia midika hoe
efa nanjary niombona sy mifamatom-piainana, izany hoe : fifandraisana tena akaiky dia akaiky no misy amin’Andrianıanitra sy i Abrahama nofidiany. Ary tsy izany koa ve no nambaran’i Jesoa : « fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo » (Jao 15.15). Raha mitaha amin’i Abrahama, manao ahoana ny endriky ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra?
2- Henoin’Andriamanitra
Rehefa nahalala ny drafitr’ Andriamantira i Abrahama dia niroso niady varotra ho an’ny tanànan’i Sodoma sy Gomora izy, ary mahavariana fa tsy am-pihambahambana no mifampiresahany tamin’Andriamanitra mba tsy handravana ny tanàna, nanomboka tany amin’ny dimampolo ka hatrany amin’ny folo ny ady varotra fa nihaino an’i Abrahama hatrany ny Tompo. Noho ny fangatahan’i Abralama dia voatsimbina ny havany (Lota), na dia noravana ihany aza ny tanàna. lanaro ny finoan’i Abrahama, sahia mangataka hamonjena ny hala, hahavonjy ny hafa izany (Mar 2. 4)
Fanontaniana:
Inona no tombontsoan ‘ny mino an Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM