LIOKA 4.14-22
Fanahin’iJehovah no ao Aminy
1-Hanafaka antsika
Jesoa tenany no efa nambaran’ny Soratra Masina izay novakiany eto ka nitenenany hoe : « androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany« . Teny nolazain’i Isaia mpaminany fahzay izany ary tanteraka ankehitriny .Efa voatokana ho amin’izany asa iJesoa ary izany no antom-pahatongavany teto an-tany . Mbola miasa manao izany asa izany Izy mandraka ankehitriny.Mbola manolotra ny teniny hanafaka antsika amin’ilay ratsy izay mampahory antsika andro amana alina « ...raha maharitra amin’ny teniko ianareo…ary ny marina hahafaka anareo… » (Jao 8.32).
2-Ka anio no hanatanterahany izany
Androany no efa tanteraka izany ,hoy i Jesoa . Ny hoe: androany dia amin’ity andro ity ka ny talohan’izao hitenenany izao .Izany hoe : efa nanomboka ny asa fanavotana nataon’i Jesoa raha vao namaky izany teny izany izy .Andriamanitra nanatanteraka ny teniny eto sy ankehitriny no asehon’ny Soratra masina ho anao anio .Sady miteny no miasa Andriamanitra .Satria ny Teniny dia ny asany rahateo.Tsarovy àry fa amin’ny fotoana hitenenan’Andriamanitra aminao no hanomboahany ny asa tanterahany ho anao .Hoy i Jeso : » Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va,izay mitaraina Aminy andro amana alina ,ary moa hitaredretra va Izy ? »(Lioka 18.7)
Fanontaniana:
Inona no antony mahatonga ny olona tsy hahandry ny fotoanan’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM