Mofonaina 17 Jona 2023: Isa 49⁸-¹³
Jehovah Tompon’ny maro IZAY nivarotra ihany no hany manana ny sanda hahazoana manavotra na mividy izay namidiny. IZY no nandefa ny olony ho babo, IZY no hany afaka mamerina. Eto dia IZY no manangana Mpanavotra sy manavao ny tontolo iainana.
1-Jehovah manangana Mpanavotra.
Tena milaza ny amin’ny mpanompon’i Jehovah mihitsy ity Isa.49 ity. Raha teo amin’ny tanataran’ny Zanak’Isiraely dia manondro an’i Kyrosy izay mpanjaka nataon’i Jehovah hamerina ny olony hiala tamin’ny fanandevozan’ny Babyloniana ny mpanompon’i Jehovah. Mihoatra lavitra noho Kyrosy ILAY TENA MPANOMPON’I JEHOVAH : JESOA KRISTY. Tsy ho famonjena ny Jiosy ihany, fa ho an’izao tontolo izao mihitsy. Hoy ny and.6: “Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’i Jakoba Ianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Ianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.” Koa anterina indray, fa Jesoa Kristy no MPANAFAKA (Jao 8³⁶)
2-Jehovah manavao ny tontolo iainana.
Rehefa tafaverina avy amin’ny fahababoana ny Zanak’Isiraely, dia mamantana tany foana. Toy ny gadra nivoaka, tanam-polo, izany hoe, tsy manana na inona na inona. Kanefa misongadina tsara eto, fa IZY MPANAFAKA no Tompon’izao rehetra izao, IZY no nahary ka hanome tontolo vaovao.
And.8: hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava
And.9: hivoaka ny mpifatotra, hiseho ny tao amin’ny maizina, hihinana eny an-dàlana ka ny tany mangadihady no hisy ahitra de(sakafo)
And.10: fiarovana amin’ny masoandro sy fitondrana ny olony ho amin’ny loharano miboiboika.
Anterina indray, fa tontolo iainana vaovao no atolony ho an’izay nafahany.
Ry havana, ny Mpanompon’i Jehovah dia tsy manavakavaka. Izay rehatra vonona ny hafahany dia omena famindrampo sy famelan-keloka. Raha vao mikatsaka ny fanjakan’ny fahamarinana ianao, dia efa miandry anao ny sakafo sy rano ary zava-tsarobidy tsy voatanisa. (Mat6³³)
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra
Source
0 Commentaires