Marka 10. 46- 52
Ny fitalahoana mafy amin’i Jesoa dia afaka manala ny hajambana « ..Ary maro no niteny mafy azy mba hangina fa vao mainka niantsoantso izy nanao hoe: ry zanak’i Davida ô! Mamindra fo amiko » (and 43) Maniry ho afaka amin’ny hajambana izy, niantsoantso, voateny mafy, nasaina nangina kanefa dia tsy nanaiky mihitsy raha tsy henon’i Jesoa ny antsoantsony satria fantany sy hinoany fa i Jesoa ihany no afaka manafaka azy amin’izao fahajambana izao. Nihaino azy i Jesoa, namaly ny faniriany dia sitrana tamin’ny hajambany tokoa izy. Ry Havana, ny hajamban’ny maso roa no sitran’i Jesoa eto. Tsy nila nanendry azy i Jesoa fa sitrana izy. Ny fitalahoana mafy dia afaka manala ny hajambana. Ny finoana no lafik’izany. i Jesoa dia manome toky hoe : «Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita ianareo, dondony dia hovohana ianareo». (Mat 7.7) Ny faharetana amin’ny vavaka no ahazoana ny fanasitranana satria ny finoana no mahavonjy. Ny hajambana ara-panahy koa dia azony sitranina tsara.
Fanontaniana:
Mino ve ianao fa mahay manasitrana ny aretina rehetra ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM