Mofonaina Jona 2023: Fit 5¹-²²
Matoa mitomany dia misy alahelo lalina dia lalina. Ny fiverenan’ny fanandevozana no fototr’izany alahelo mafy dia mafy izany. Noho izany, tsy mahagaga raha mitaraiana fampiverenana i Jeremia, misolotena ny firenena iray manontolo. Koa ny and.21 no fintina ny amin’ny fitalahoana: “Jehovah o, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.”
Ny matoanteny miverina (ampivereno, hiverenanay) no fototra eto. Izay nandao na niala na nania no averina sady manaiky hiverina. Toa efa manambara dieny mialoha izany fa diso na meloka ity firenen’i Jehovah ity. Inona no fahadisoany?
1- Fintina tantara. Ny fivarotan’ny taranak’i Jakoba ny rahalahiny (Josefa) ho andevo tany Egypta no nahatonga azy rehetra ho andevo. Ny fanompoana sampy no nahatonga ny fahababoana na andevo tany Babylona. Isaky ny manao zavatra manohitra ny sitrapon’ny Tompo Tsitoha ny Zanak’Isiraely dia lasan-ko babo na andevo. Marina izany araka ny tenin’i Jehovah tamin’i Isaia hoe: “Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.” (Isa 50¹). Tena manamafy io fa Jehovah Tompo mihitsy no nivarotra azy ho andevo ka tsy tompon’ny tenany sy izay nananany. Diniho Fit 5 manontolo fa marina izany.
2-ILAY NIVAOROTRA IHANY NO AFAKA MIVIDY. IZY, JEHOVAH TOMPON’NY MARO no hany manana ny sandan’ny nivarotany ny olony. Ny andevo tsy manan-kanefana izany mihitsy. Ny herin’ny Tsitoha irery no hany afaka handringana ny mpanandevo. Marina tamin’ny fanafahana tany Egypta izany, marina tamin’ny fananganan’i Jehovah an’i Kyrosy nanafahany ny Zanak’Isiraely tany Babylona, marina tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny tenany tao Kalavary ho vidin’ny fahotantsika. Jehovah ihany no hany afaka mamerina antsika mba hiverenantsika ao AMINY.
HAFATRA : matoa misy fahoriana mianjady amintsika, mitodika AMINY, fa aza mifantoka amin’ny fahoriana.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires