Fitomaniana 5. 1 – 22
Ny olona vontom-pahoriana mitady ny fitsaharana ao amin’Andriamanitra
Ireto andalan-tSoratra Masina ireto dia vavaka fitarainana amin’Andriamanitra noho ny faharavana tanteraka amin’ny lafim-piainans maro manjo ny vahoaka tao. Jerosalena tamin’ny namaboana ny tanana nataon’ny fanjakana babyloniana. Nikorontana tanteraka ny ara-piaraha-monina satria andevon’olona no nanapaka azy ireo izay midika fahambaniana tanteraka satria andevon’ny andevo izy ireo.
Ny ara-toe-karena indray dia very ny fandrianampirenena, satria lasan’ny olona ny tany lovany. Mividy rano vao mahazo rano nefa ranon’ny tena ihany. Ny hanina hohanina dia mila amoizana aina vao azo. Ny herisetra manjo ny ankizivavy sy ny vehivavy dia iaretana.
Vingavingaina ny olona ambony sy ny antitra. Zimbazimbaina ny zon’ny ankizy sy ny tanora. Ny tanàna rehareha dia lasa haolo. Fo feno fahoriana sy sento lalina no sisa. Izany hoe: fahoriana feno sy tanteraka.
Tsy misy azo itarainana afa-tsy Andriamanitra irery ihany, satria Izy no
loharanom-pahasambarana raha manaiky hiverina Aminy.
Hoy ny voasoratra : «Raha hiverina hianao, ry Isiraely, hoy Jehovah,dia ho Amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko hianao, dia tsy hivezivezy foana. Fa hianiana amin’ ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe : raha velona koa
Jehovah, dia lzy no ho lazain ‘ny firenena ho fahasambarany, ary lzy no reharehany» ( Jer 4. 1-2) . Marina loatra izany ry havana, fa lzy ihany no fahasambaran’ny firenena.
Fanontaniana
Raha vontom-pahoriana loatra ianao, mbola mahavita manonona vavaka ve?
Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM