Alatsinainy, faha 05 Jona 2023 

1 Korintiana 7. 17-24

Ny fahafahana

1-« …Dia ny fanekena ny fandaharan’Andriamanitra » (and 24) 

Ry rahalahy aoka ny olona rehetra samy hitoetra amin’Andriamanitra ao amin’izay niantsona azy taratasy ho an’ny Fiangonana tao Korinto ity isan’izay niteraka olana tao ny tsy fahaizana manaiky izay maha izy ny tena sy izay fandaharana misy amin’ny fiainana. Mety ho niteraka fanamboniana ny tenany izany Izany toe-tsaina izany anefa tsy maintsy niteraka korontana kely tao amin’ny Fiangonana ka nahatonga an’i Paoly nanoratra mba handamina. Maro ny olona no mihevitra fa raha tsy amin’ny toeran’ny hafa izy dia ambany na voageja. Izany anefa no tena antsoina hoc fahalahana aza

2- « …Dia ny maha mpanompon’i Kristy » (and 22) 

“fa ny andevo izay voantso ao amin’ny Tompo dia olona afaka an’ny Tompo, toy izany koa, ny olona afaka izany voantso dia mpanompon’i Kristy”

Ny fanandevozana dia misy tao amin’ny fanjakana romana. Nisy araka izany ireo andevon’olona kanefa lasa kristianina, ary lasa olon’afaka satria ny andevo dia izay andevon’ny fahotana fa tsy andevon’olona. Ary ny olona afaka ka lasa mpanonpon’Andriamanitra dia tsy hoe marina ho andevo akory fa olona afaka fa ny Tompo aza dia tsy mpanandevo olona Hoy ny teny voasoratra “ary rehefa natao afaka tamin’ ny ota hianareo dia tonga mpanompon’ny fahamarinana (Rom 6/8) Araka izany ary, na inona sokajin-tsaranga misy ny Kristiana, rehefa ao amm ny Tompo izy dia olona afaka.

Fanontamiana

Raha ny hevitrao, any an-danitra sa ety an-tany no tokony hisy fitoviana eo amin’ny olona rehetra