Mpitsara 4. 14-21
Ny Tompo irery ihany no mpanafaka ka mampitsahatra ny fampahorian’ny fahavalo ny olony
And 14.15. « Ary hoy i Debora tamin’i Baraka : miakara fa anio no andro hanoloran’i Jehovah an’i Sisera eo an-tananao… dia nampifanaritahan’i Jehovah tamin’ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan’i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra Niverina nanota tamin’i Jehovah indray ny Isiraely ka natolotr’i Jehovah teo an-tanan’i Jabina mpanjaka Kananita. Nijaly izy ireo vokatr’izany ka i Debora mpaminany vavy no mpitsara nirahan’Andriamanitra nitarika ny vahoaka hanohitra ny fahavalo nampahory azy ireo ; ary i Baraka no notendreny ho mpitarika ny tafika Isiraely naneho fanahiana ihany izy tamin’ny voalohany ka nolazain’i Debora fa vehivavy no tena hahazo voninahitra handresy an’i Sisera mpitari-tafika kananita. Rehefa nandeha ny ady dia resy ny tafika kananita ka vaky nandositra i Sisera ary maty novoinoin’ny vehivavy iray. Nifarana teo ny fampahoriana ny olon’Andriamanitra.
Ry havana, tsy sitraky ny fon’Andriamanitra mihitsy ny fahorian’ny olona na dia vokatry ny fahotany ihany aza izany ka naniraka olona lay hanafaka Azy ireo Isika koa araka izany dia tsy tokony hanaiky ny handevozin’olona na hery hafa intsony fa isika rehetra dia olona afaka ao amin’i Kristy. Hoy ny voalaza : « Ho amin’ny fahafahana nanafahan’i Kristy antsika, ka tomoera tsara fa aza mety hohazomin’ny zioga fanandevozana intsony ». (Gal 5.1) izany hoe na inona mamatotra sy manandevo antsika dia tsy maintsy atsahatra izany, Jesoa Kristy ihany no afaka manafaka izany. Hoy Izy hoe : « Raha zanaka no manafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » (Jao 8.36)
Fanontaniana
Olona afaka ve ianao? Tsy misy zavatra hafa manandevo anao intsony ve?