Mofonaina 30 May 2023: Jao 15²⁶-²⁷
Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin’ny voalohany.
Ny Fanahy Masina dia :
1-IRAKA. Jesoa no Mpaniraka ny Fanahy Masina, Jehovah Ray no nihaviany. Miharihary eto ny Trinité (ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy), ny Telo Izay Iray, tsy afa-misaraka. Ny Fanahy Masina no IRAKA na AMBASSADEUR DE JESUS. Noho izany tsy maintsy mampita izay hevitr’i Jesoa Kristy IZY. Tsy Tompo-kevitra fa Mpampita hafatra, tahaka an’i Jesoa Izay niteny hoe: “Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho, satria marina Izay naniraka Ahy; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao.” (Jao 8²⁶). Toy izany koa ny Fanahy Masina Izay IRAKA. Vakio Jao 16¹²-¹⁴: “…tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo…”
2-VAVOLOMBELONA. Mifampitohy ny maha-IRAKA sy ny maha-VAVOLOMBELONA. Ny VAVOLOMBELONA tsy maintsy nahita maso ary nandre ny zava-nitranga. Tsy nisy niafina tamin’ny Fanahy Masina ny tranga rehetra tety antany, tamin’i Jesoa: teraka, batisa, nalaina fanahy, nampianatra, nitory, nanasitrana, nijaly, nolefonina, maty, nitsangana, niakatra. Ny tany andanitra dia tsy hitantsika sy tsy haintsika , fa natrehany. Izany no maha-VAVOLOMBELONA AZY.
3-VAVOLOMBELONA NY MINO. Izay mandray ny Fanahy Masina dia ampianariny sy anehoany ny zavatra rehetra. IZY no maneho sy mamoaka ny hevitry ny Soratra Masina (2Pet 1²⁰). Noho izany, tonga vavolombelon’i Jesoa Kristy ny mino. Asan’ny Fanahy Masina izany, ary IZY no hampiteny izay mino (Lio 12¹¹-¹²)
HAFATRA : maneke hampianarina sy ho tarihan’ny Fanahy Masina.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source