Mofonaina 22 May 2023: Sal 143⁷-¹²
SAROBIDY NY FAHORIANA
1-MAMPITODIKA AMIN’I JEHOVAH ANDRIAMANITRA. Tena ratsy tokoa ny fahoriana, satria mandreraka izay voany, ary mitondra ho amin’ny famoizampo. Davida eto dia efa eo ambaravaram-pasana, efa ho faty (and.7). Tsara dia tsara kosa satria mampitodika amin’i Jehovah mba hahazoana fiarovana na ARO= Antoka, Rehareha, Onim-pahasoavana. IZY tokoa no ARO ho antsika, satria tsy misy maharombaka izay eo an-tànany (Isa 43¹³). Koa na inona na inona mihatra, dia ny mitodika AMINY irery no fanavotana ho anao.
2-MAMPANGATAKA LA.FA.FI.
2.1- LALANA. Ny eo amparavaram-pasana tsy mahita làlan-kaleha. Mila ny Fanahin’i Jehovah hitarika azy: “Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy…” (and.10). Ny Fanahy Masina dia mihatra lavitra noho ny guide touristique.
2.2-FAHAMARINANA. Ny eto antany dia feno lainga sy fitaka. Ny sakaiza manohy no maro an’isa. Na ny zanaka nateraka aza namadika an’i Davida. Tsy misy marina tokoa na dia iray aza. Koa ny tany marina angatahana fitarihan’ny Fanahin’i Jehovah (and.10) dia ny fanjakan’ny fahamarinana. Tsy izay tiana, fa izay sitrpon’IZY TOMPO.
2.3-FIAINANA. “Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho…”(and.11). Omeo aina na omeo fiainana raha lazaina amin’ny fomba hafa. Naman’ny efa maty, ka atsangano. Sady fangatahana ny fiarovana ankehitriny io, no fiangaviana sy fiandrandrana ny fiainana mandrakizay.
HAFATRA : tra-pahoriana mampamoy ve ianao ankehitriny? Hoy ny tenin’i Jesoa averina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina : “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” Fantaro izay sitrapon’ny Tompo, izay ihany no izory sy tanteraho.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena.
Source
0 Commentaires