ASAN’NY APOSTOLY 1.1-14

Jesoa zanak’Andriamanitra

Misongadina amin’ity perikopa anio ity ireto hevi-dehibe izay azo ambara fa fototry ny finoantsika ireto :

1-Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa (and3)

Mampiseho ny maha-zanak’Andriamanitra Azy ny fitsanganany tamin’ny maty .Izany no famantarana lehibe omen’Andriamanitra antsika ka mahatonga antsika hahalala an’i Jesoa Kristy ho zanak’Andriamanitra .Vavolombelon’izany ireo mpianany izay nisehoany sy nifampiresaka taminy nandritra ny efapolo andro taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty . Ary satria nitsangana tamin’ny maty i Kristy ,izay rehetra mino an’i Kristy tafatsangana dia manana fiainana mandrakizay , izany hoe : manana firaisana amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy .Mazava ankehitriny fa fahavalo resy ny devoly sy ny fahafatesana ary ny fahotana .

2-Nakarina ho any an-danitra i Jesoa (and9)

Azo lazaina ho « fisarahana » amin’ny mpianany ny fiakaran’i Jesoa ho any an-danitra .Efa niteny i Jesoa hoe: mahatsara anareo ny fialako ,fa raha tsy hiala Aho dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra ,fa raha handeha Aho dia hirahiko aty aminareo Izy (Jao 16.17). Ankehitriny isika dia mandeha amin’ny finoana fa tsy amin’ny fahitana . Maro ny olona nahita maso an’i Jesoa , nefa tsy minoo Azy .Mahatsara antsika ny fialan’i Jesoa , satria irahiny ny Fanhy Masina ho aty amintsika .Ny fitoeran’ny Fanahy Masina ao amintsika dia tena zava-tsarobidy satria izany no handraisantsika heryizay manetsika antsika hitory ny Filazantsara sy hijoro ho vavolombelony manerana ny firenena rehetra .« Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo ,ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany  » (and8)

Fanontaniana :

Hazavao ny hoe: « mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty »

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM