Mofonaina 2 May 2023: Mat 4¹-¹¹
Jesoa nalain’ny devoly fanahy, kanefa tsy voafitaka satria niorina tamin’ny Soratra Masina, araka ny teny hoe: “voasoratra hoe”
1-Nalaim-panahy tamin’ny hanina 4²-⁴. Hoy ny ntaolo: Kibo tsy mba lamosina, tsinay tsy mba vatsy. Raha noana ny nofo, mivezivezy ny fanahy. Hoy ny devoly: Teneno ho tonga mofo ny vato. Fa hoy Jesoa: “Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra” (Mat. 4×4). Mpandresy IZY noho ny Tenin’Andriamanitra
2-Nalaim-panahy tamin’ny Soratra Masina sandoka na voaolana 4⁵-⁷. Rehefa hitan’ny devoly fa nampiasa Soratra Masina Jesoa dia mba nampiasa koa izy. Mila fitandremana fa ny Soratra Masina tsy eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina dia sandoka sy fitaka. Izany rahateo no asan’i Satana. Jesoa Mpandresy noho ny herin’ny Fanahy Masina 4⁷
3-Nalaim-panahy tamin’ny fahefana sy voninahitra 4⁸-¹⁰. Mihevi-tena ho tompon’ny fahefana sy voninahitra ny devoly, ka izay miankohoka eo anoloany no homeny izany. Miharahary eto ny fandrombahana ny fahefan’i Jehovah Tompo ataon’ny devoly. Jesoa feno ny Fanahy Masina sady resy lahatra fa Jehovah irery no hany Andriamanitra sy hany hiankohofana (4¹⁰)
Jesoa nalaim-panahy fa tsy nanota, noho izany, afaka mitondra ny otanao sady mahavonjy anao (Heb 4¹⁵, 2¹⁸, 1Pet 2²⁴).
Maneke ho tarihan’ny Fanahy Masina, Izay Andriamanitra miasa, dia ho mpandresy tahaka an’i Jesoa ianao.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires