EFESIANA 2.1-7
Efa maty ny olona noho ny fahadisoana sy ny fahotana
Milaza ny fahadisoam-panantenana noho ny faharatsiana vitan’ny olona ity teny eto ity .Ny hoe : :« nalehanareo » (and2) eto dia maneho fa nanatanteraka izany ny olona ,izany hoe : ny fomba ratsin’izao tontolo izao teo ambany fanapahan’ny devoly no nataon’ny olona . Ambara eto àry araka izany fa nitondra tena sy tafiditra lalina tamin’ny filàn’ny nofo sy ny sitrapo ratsin’ny nofo amin’ny endrika rehetra ny olona( ampitahao 1 Kor 6.9-11) .Izany no ilazana fa efa tonga ratsy toy ny hafa ,manao ny fanao ratsin’izao tontolo izao ny olona , ka rariny ny fahatezeran’Andriamanitra aminy ary izany koa no ilazana hoe efa maty ny olona na dia tsy tokony ho mendrika azy aza izany . Fantantsika tsara fa sehatra sy vanimpotoana hafa no nanoratana ity teny eto ity , kanefa raha dinihana ny zavatra voalaza dia mbola miteny amintsika mihitsy izany ankehitriny .Hita sy tsapa mantsy fa mbola misy sy iainana amin’ny tontolo ankehitriny ireny faharatsiana samihafa ireny ary izany no ilazana fa efa maty fahavelona tokoa ny olona .
Manome fahavelomana kosa ny Tompo ao amin’i Kristy
Na dia eo aza anefa izany faharatsiana nataon’ny olona izany dia nanomana vahaolana Andriamanitra noho ny famindrampony sy ny halehiben’ny fitiavany ka ny fahafatesana voalaza fa nisy teo aloha tao amin’ny olona vokatry ny ratsy nataony dia nosoloan’Andriamanitra fahavelomana kosa . Izany no antony nilazana hoe : fony mbola matin’ny fahadisoana isika dia nahavelona antsika kosa Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy .
Fanontaniana :
Ny fahafatesana no tambin’ny ota nefa mino ve ianao fa afaka mamelona izay mino Azy kosa ny Tompo Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM