JAONA 21.15-19

Ny asa pastoraly ho an’i Petera

Na dia tsy mitovy mihitsy aza ny fomba fitantaran’ny Filazantsara tsirairay ny zava-nisy araka ny maha-izy azy ny mpanoratra tsirairay sy ny nifandraisan’izy ireo tamin’i Jesoa Kristy dia azo lazaina hoe : misy itovizany ny venti-kevitry ny Filazantsara rehetra , mitantara ny fitsanganan’ i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny zava-niseho taorian’izany , indrindra fa ny fanirahana ny mpianatra hanaparitaka ny Filazantsaran’ny fandresena amin’ny olombelona rehetra .

Efa nanambara mantsy i Jesoa Kristy ato amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona hoe : handeha Aho dia irahiko ho aty aminareo ny mpananatra hitarika anareo amin’izany .Tonga ny fotoana eto momba izany fanirahana ny mpianatra izany hanohy ny asa natombok’i Jesoa kristy . Eto dia miresaka an’i Petera manokana ny teny .Koa raha haniraka an’i Petera i Jesoa Kristy dia naninona Izy aloha no nanontany intelo an’i Petera ny mahakasika ny fitiavan’i Petera Azy ?

I Petera dia niseho ho tena nafana fo tamin’ny fanarahana Azy mandrakariva .Nialoha làlana ny mpianatra hafa hatrany i Patera eo amin’ny resaka ifanaovana amin’ny Tompo , eo amin’ny zavatra maro samihafa ifandraisan’ny mpianatra aminy ( jereo Mat 26.30-35/ Mar 14.26-31) .Misy mpahay Baiboly milaza hoe: toy ny filohan’ny fikambanan’ny 12 lahy mihitsy i Petera.

i Petera koa anefa no nahavita nandà tanteraka ka nilaza ho tsy nahafantatra an’i Jesoa Kristy rehefa nenjehan’ny Jiosy Izy .

Sao sanatria mbola misy Petera tsy tapa-kevitra any ho any ka manontany anao koa i Jesoa Kristy eto , ahoana marina moa ny tena fitiavanao Azy?

Fanontaniana:

Ahoana no hanaporofoinao sy iainanao fa vonona amin’ny asa fanompoana anirahan’i Jesoa Kristy anao ianaoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM