EZEKIELA 34.20-31
Toe-javatra iray hain’ny olona loatra ny tontolon’ny fiandrasana ondry , satria hatrany am-piandohana dia isan’ny fihariam-pivelomana naha-izy azy ny olona ny fiompiana , ary izany zavatra hain’ny olona loatra izany indrindra no nampiasain’Andriamanitra hanehoany ny fifandraisany amin’ny olona mba tsy ho sarotra amin’ny olona ny fifandraisana Aminy .Araka ny itanteran’ny Soratra Masina azy anefa dia tsy mirindra ho azy amin’izao akory ny zava-misy ao amin’izany sehatry ny fiandrasana ondry izany satria notsinotsinoavin’ny mpiandry ondtry ka nijaly sy nitondra faisana mafy . Manoloana izany dia hamonjy ny ondriny Andriamanitra amin’ny alalany .
Fanendreny sy fanirahany mpiandry mahatoky
Tena sarotra ny toe-javatra iainan’ny ondry satria tsy miraharaha ny asa fiandrasana mihitsy ny mpiandry ka lasa milomano ny ondry ,rava ny ahi-maitso hohanina sy rano hosotroina ,ny ratsy ataon’ny fahavalo sy ny bibidia koa dia tsy hita holazaina intsony .Nanapa-kevitra ny Tompo araka izany fa hanendry mpiandry vaovao azo antoka ho famerenana amin’ny laoniny ny fiainan’ny ondry ,handrava izay mety ho endriky ny fahavalo rehetra ,hampanjaka ny fandriampahalemana mba hanatsarana ny fiainan’ny ondry indrindra .
Hanome fahafahampo amin’ny filàn’ny olona ny Tompo
Hanome ranonoram-pitahiana mivatravatra Aho , hoy ny Tompo . Fantantsika fa raha tsy misy ny rotsaka orana dia ho maina ny tany , ary hisedra fahasahiranana mafy ny zava-boahary rehetra ,fa raha hanome ranonoram-pitahiana ny Tompo dia hahavokatra ny tany ka tsy hijaly ara-tsakafo ny ondry .
Fanontaniana:
Iza no antsoin’ny Tompo hoe : ondriny ? Ahoana no fikarakarany ny ondriny ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM