JAONA 2.13-22

Ny fahefan’i Jesoa

1-Fahefana manova tantara

« Ento mivoaka ireto zavatra ireto . Aza atao fivarotana ny tranon’ny Raiko » (and16).Ilay toerana natao hanovozana aim-panahy,hikolokoloana finoana no nanjary lasa tsena fifanakalozana ,najary fanaovana takalo sy fakana tombom-barotra .Tsy eken’i Jesoa izany . Ovain’i Jesoa ny tantara ary apetrany amin’ny toerana mendrika azy ny kianjan’nytempoly .Tsy fitadiavana vola no olana fa ny toerana hanaovana azy sy ny toe-panahy manao izany .Raha hitady vola any ivelany araka ny voasoratra hoe: « ento mivoaka ireto ».Andeha hizotra amin’ny fanomezana maimaimpoana sy hikaroka loharanom-bola maharitra isika manombola izao .

2-Manangana indray

« Ravao ity tempoly ity ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy » .Nalahatr’i Jesoa tamin’ny fanavaozana ny tempoly ny fanoharana momba ny hitsanganany afaka hateloana .Ilay tenan’ny olombelona izay fantatra amin’ny maha-nofo sy rà azy ,dia hainy ny manova azy ho tonga tempolin’ny Fanahy Masina anjakan’ny fahalovana sy ny fahafatesana dia hainy ny mahatonga izany ho olom-baovao . Ny herin’ny fitsanganany no mitondra fandresena goavana ho antsika

3-Mamelona finoana .

« …ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain’i Jesoa izy  » (and22) .Mamelona ny finaontsika ny fahatsapana fa tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy izay rehetra voalaza hatrany amin’ny Testamenta Taloha .Raiso amin’ny finoana ny Tenin’i Jesoa na dia tsy takatry ny sainao aza.

Fanontaniana :

Mitondra inona amin’ny mpino ny fahefan’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM