DANIELA 6. 26-29
Ny Andriamanitra ivavahantsika
1-Andriamanitra velona
« Fa Izy no Andriamanitra velona « (and26b) .Nisy ny didy nivoaka izay nilaza fa aoa anatin’ny telopolo andro dia tsy misy mahazo mivavaka afa-tsy amin’iDariosa mpanjaka ihany . Koa izay mandika izany dia hatsip any an-davaky ny liona . Daniela kosa nanohy nivavaka tamin’i Jehovah intelo isanandro hatrany . Vokatr’izany dia nosaziana izy ka natsipy tao an-davaky ny liona . Velona ny Tompo ka tsy namela an’i Daniela ho faty . Jesoa velona dia mampandresy antsika manoloana ilay liona mierona mitady izay harapany sady mamaha ny olana rehetra .
2-Maharitra mandrakizay
Tsy manam-petra ny Tompontsika fa maharitra mandrakizay .Manamafy izany i Jesoa Kristy ka nambarany fa Izy no Alfa sy Omega ,Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy (Apo 1.8) .Mbola tsy teraka i Abrahama dia efa teo Izy.
3-Mamonjy sy manafaka
« Izy no mamonjy sy manafaka »(Dan 6.28a) : Niaiky i Dariosa mpanjaka ,araka ny hitan’ny masony fa hain’ny Tompo ny mamonjy sy manafaka ny mpanompony izay mandalo fotoan-tsarotra . Jesoa Kristy , Ilay nanangana an’i Lazarosy sady nandresy ny fahafatesana no Mpamonjy antsika .
4-Manome fanambinana
« ary izany Daniela izany dia nambinina tamin’ny nanjakan’i Dariosa sy tamin’ny nanjakan’i Kyrosy Persiana » (and29) . Nomena andraikitra miavaka i Daniela ,izay tonga olona ambony sy manan-kaja ary manam-pahefana .Voasoratra « fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezantsika aina » (1 Kor 15.58) .Sahia àry mandray andraikitra .
Fanontaniana:
Tanisao ireo toetra mampiavaka ny Tompontsika .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM