ISAIA 52.7-12

Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo

1-Ambaran’ny mpitondra teny soa mahafaly

« Akory ny hatsaranny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly ery an-tendrombohitra » (and7). Fifaliana lehibe ho an’ny vahoaka ny mahatsinjo ny mpanjaka izay mipoitra eny an-tendrombohitra ,nitondra fandresena miezinezina avy niady sady mitondra vaovao mahafaly . Maneho ny Tompo sy ny fandreseny ary ny voninahiny ity fanoharana ity .Teny soa mahafaly mamelombelona fanantenana.

2-Mitondra fiadanana

Misy teny telo mifampiankina sy mifampitohy izay voalaza eto : fiadanana ,teny soa mahafaly ,famonjena. Mpanjaka mitondra fiadanana ,teny soa mahafaly ary famonjena .Tanteraka tamin’ny alalan’ny fandresen ‘i Jesoa Kristy ny fahafatesana ireo rehetra ireo . Jesoa Kristy Tompo no manome fiadanana ho antsika . Ny fiadanany no avelany ho antsika (Jao 14.27) . Izy no Mpamonjy antsika .

3-Mampiharihary ny Tenin’Andriamanitra

« Jehovah efa nampiseho ny sandriny masina teo imason’ny firenena rehetra » (and10) .Manoloana ny fahababoana izay mianjady amin’ny vahoakany dia maneho teny fampanantenana tandrify izany ny Tompo. Ny fandresen’i Jesoa ny fahafatesana dia maneho ara-bakiteny ny fahatanterahan’ity faminaniana voalaza eto ity .

4-Maneho ny fiarovan’Andriamanitra

« Fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha ,ary Andriamanitry ny Israely no ho vodilàlanareo » (and12) .Ny Avo indrindra no manaiky hitantana sy hiaro ary hiara-dàlana amintsika.

Fanontaniana:

Tanisao ny fahatanterahan’ity faminanian’Isaia ity tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM