FILIPIANA 3.1-11
Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo
Ny tena lalina tao amin’i Paoly dia ny hahalala an’i Kristy Jesoa bebe kokoa .Tsy maintsy manao dingana anefa izy ary ny voalohany amin’izany dia :
1-Manadino ny taloha
Izay tian’ny mpanoratra ambara eto dia izay mety ho fombafomba natao nanamarika ny maha-izy ny tena ,nefa tsy mifanaraka amin’i Kristy .Isan’izany ny fanandratana ny tena , ny fiaviana,ny toerana misy eo amin’ny fiaraha-monina ,na zavatra hafa ho manan-danja teo amin’ny fiainana talohan’ny maha-kristiana .Noezahany adinoina ireo talohany ireo ,fa midera an’Andriamanitra amin’ny Fanahy izy ireo noho ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo .Ho antsika koa , aoka hanadino ny taloha .
2-Atao amin’ny Anarany ny fangatahana atao
Tsy nataony ho zavatra intsony ny sata, ny haja nomena azy ,ny foko niaviany ,ny fombafomba m-pivavahana ,fa nataony ho taimboraka ireny satria hitany izay tokony ho reharehany ka hoy izy hoe: ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny fahatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompo ,izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra .Tsy fahalalana an’iKristy an-tsaina fotsiny no reharehan’i Paoly eto ,fa fahalalana Azy akaiky ,fifandraisana ny fiainana ,fandraisana ny tombontsoa ary famonjena amin’ny alalan’ny finoana .Koa raha misy rehareha dia aoka Kristy no ho reharehantsika , fa Izy no naha-toy izao ny fiainantsika .
Fanontaniana :
Mba manana fireharehana ankoatran’i Kristy ve ianao amin’ny fiainana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM