APOKALYPSY 7.9-12

Ny herin’ny fitsanganan’ny maty

1-Andraisam-pamonjena

i Jaona dia maneho an-tsary ny vahoaka maro avy amin’ny fokom-pirenena samihafa fiteny ,mitafy akanjo fotsy amin’ny finoana an’i Jesoa . Hiaraka amin’Andriamanitra izy ireo ary tsy handre fanaintainana na alahelo intsony . Ny and 16-17 dia milaza fa tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo , izay tsy haninona azy akory ny masoandro na izay hafanana .Fa ny zanakondry izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranonaina , ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony. Andraisam-pamonjena ho an’ny mino ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ho an’ireo olona masina niaina tao amin’ny fahoriana.

2-Manome Voninahitra an’Andriamanitra

Izay miakanjo fotsy lava noho ny famonjena azony dia afaka nanome voninahitra an’Andriamanitra , izay nasehony tamin’ny alalan’ny sampandrofia teny an-tànany .Toa mampahatsiahy antsika an’i Jesoa niakatra amim-boninahitra ho ao Jerosalema izay nankalazain’ny vahoaka hoe : « Hosana ho an’ny Zanak’i Davida .Isaorana anie ny avy amin’ny Anaran’i Jehovah «  izany ,araka ny voalaza ao amin’ny Matio 21.5-8. Tondroin’ny anjely ho toy ireo nivoaka avy amin’ny fahoriana lehibe , ka manome voninahitra an’Andriamanitra .Izao andro fankalazana ny Paska izao dia androm-pamonena ho anao .Omeo voninahitra ny Tomponao .

Fanontaniana:

Nandresy ny fahafatesana ny Tompo .manao ahoana ny fanomezanao voninahitra Azy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM