LIOKA 19 29-44

Jesoa Kristy Tompo

1-Manana fahalalana tsy takatry ny saina

Nahatalanjona ny fidirana tao Jerosalema . Mpanjaka malemy fanahy sady mitaingina zana-boriky .Nahagaga tokoa ny fomba nanirahan’i Jesoa ireo mpianany sy izay rehetra nasainy hotanterahana .Tanteraka avokoa izay lazainy , izany hoe : mahalala ny zavatra rehetra Jesoa ,tsy takatry ny sain’olombelona ny fahalalany .Toy izany koa no nataon’i Jesoa tamin’ilay vehivavy teo am-patsakana .Fantany tamin’ny antsipirihany avokoa ny fiainan’ity vehivavy ity (Jao 4.1-27). Mahalala ny fiainako sy ny fiainanao Izy . Izany no maha-Andriamanitra Azy .

2-Manetry tena

Velom-panantenana ny olona fa ho afaka sy ho avotra amin’ny fangejana nisy . Tsy nikasa hanongam-panjakana akory i Jesoa. Tonga hanompo Izy fa tsy hotompoina .Niditra tao Jerosalema tanànany Izy ,toy ny mpanjaka , saingy amin’ny maha-Mpanjaka manetry tena Azy . Fianarana ho antsika izany , fa izay rehetra manetry tena no hasandratra (Lioka 18.14)

3-Mpanafaka

Fifaliana ny fahatongavan’i Jesoa , novelarin’ny olona hanomezana voninahitra sy fanajana Azy ny lambany ,nanofahofa sampankazo izy ireo sady niantsoantso hoe : « Isaorana ny mpanjakan’ izay avy amin’ny Anaran’i Jehovah » (and38).Horakoram-pifaliana no nataon’ny vahoaka fa Jesoa kosa nitomany raha nitazana an’i Jerosalema .Tonga hanafaka Izy fa ny Azy tsy nandray Azy (Lio 13.34)

Fanontaniana:

Fianarana tsara ny fiainan’i Jesoa ,vonona hanao toy izany ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM